mbola tsy masaka - RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Azo vakiana?
Iny tovovavy iny...
Toy ny manga manta...
Tiako ane izy iny...
Ary tena iriko fatratra!
Aleo fa endrasiko iny...
Endrasiko ho masaka...
...
Kinanjo,efa nisy nioty...
Notazanao mbola manta...
Laninao ambongadiny...
Niaraka taman-tsira...!
Malahelo izany foko!
Fa niriko anie izy iny!
Fa notazanao mbola manta...
Tsy nendrasinao ho masaka akory!
Izao simba ny fiainany!
Noferanao ny hoaviny...
Manga mbola tena manta
Kanefa...
Ataovy tratrako eny ialahy
Fa ataoko mahita ny sarin'i Ja...
Simban'ialahy izy dia navela
Ankehitriny lasa mitapitapy...
Toa lasa degadegany...
Tsy ilay nahitako azy fahiny
Fa toa lasa masamasaka...
Toa masaka an-tery...
Toa nomasahanao tsy fidiny
Izao izy,migoka izany ngidiny!
Tsy vanona ialahy e!
...
Malahelo azy aho,
Saingy tsy hitako ny hatao...!
...
Mahereza aky a!!!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison

Nampiditra : sayyuk01
Daty : 23/12/2016
Mpamangy : 453
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny tsikitsikinaoHAFATRA
VAVAKA
Ny fitiavanao ry Ray
Indray andro any
Mitia mangina
Vovoka isika
Eo anoloan'ny sarinao
Fangatahana
TE