You are here: home > Vetso

Mitia mangina - RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison

Azo vakiana?

Teny tsotra no nolazaiko anao
Hoe andao isika mba hiaraka
Kinanjo moa ny navalinao,
Dia teny ratsy variraraka
Ompa reny tsy ompa reny
Fanambaniana sesilany...
Naleoko moa tsy niteny
Hany sisa hery nitomany!
...Nionona ny saiko
Hangina fa tsy tiana e!
Ny hanadino aloha tsy haiko
Ary koa hitia mangina e...
Manontany tena aho
Hoe iza loatra re ianao
No mahatonga ahy hitalaho
Sy mampanao ny tsy fanao?
Ny valiny?-Satria aho tia anao.
Saingy atositosikao...

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha