You are here: home > Vetso

Fangatahana - RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison

Azo vakiana?

Omeo anay ry alina
Ny mahamaizina anao
Mba hangalainay nofy lalina
Ka hazoanay maraina vao

            Omeo anay ry volana
            Ny fahazavanao  
            Tampero hatreo reo olana  
            Miatsa amin'ity tsolovonao
Omeo anay ry kitana
Ny fahasoavanao
Fa ny fonay mbola tsy sitrana
Ka mba mitalao

           Omeo anay ry rahona
           Ireo loko maro
           Fa hitanay mandrahona
           Izato fahavalo  
Omeo anay ry fiainana
Ireo tsiambaratelo
Mba hazoanay fanana
Tsy harain'olon'alahelo

          Omeo anay ry fitiavana
          Ny eny fa aza lavina
         Ny fo tsy misy mandray ho havana
          Raha tsy ianao no tiavina

Omeo anay ry tselatra
Ny fiavinao
Mba hazoanay manamboatra elatra
Hiarahanay aminao

           Omeo anay ry fasana
           Ny fangalanao
           Amizay misy homanana
           Izay mety lahatrao

Omeo anay ry Tompo
Ny lanitra
Mba hafahanay manompo
An'Andriamanitra

           Omeo anay ry dada
           Ny fitazainao
           Mba hafahako mibadabada
           Rehefa hiantso anao
Omeo anay ry neny
Ny anatra
Mba hazoko miteny
Indrindra rehefa mianatra




12mars 2010


        
            

Hametraka hevitra

Midira aloha