You are here: home > Vetso

Eo anoloan'ny sarinao - RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison

Azo vakiana?

EO ANOLOAN'NY SARINAO.
Hanoratra aho androany
Hanoratra ho anao
Ho anao izay any ho any...
Fa manina anao
Efa ela anie izay
No tsy nihaonantsika
K'avelao ny soratra indray
No hampiray antsika...!
Fa tiako foana ianao e!
Izay no tadidio
Indro tononkalo ho anao
Ho anao ka vakio
Fa satriko eny anie
Ny hahita mivantana
Ilay hatsaran-tarehy
Fa anio aloha mivaingana...
Mivaingana ny sary...
Ilay sarinao aty amiko
Ô hakantoana nanahary...
Sy zary nofy mamiko!
Eto anoloan'ny sarinao e!
Eo foana no mankafy
Izato bolabolam-bikanao e!
Safononoka aho aky!
Safononoky ny fitia...
Eny,sary fotsiny ihany
Fa mamy tena mamy!
Mainka moa fa tena ianao,
Dia ho asa fotsiny ho'aho...!

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha