You are here: home > Vetso

VAVAKA - RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison

Azo vakiana?

VAVAKA.
Izaho raha vao mifoha ,
Dia mivavaka aho aloha
Ilaiko mantsy ny mivavaka,
Mba hananako toetra miavaka.
Dia mivavaka aho maraina ,
Isan'andro aho dia mitaraina
Dia toy izany koa ny alina ,
Mba tsy hiaina anaty nofinofy lalina...
Dia toy izany ny ahy ny fiainako
Jesosy ihany no itarainako
Koa n'aiza n'aiza misy ahy ,
Dia arotsany 'lay "Fanahy" !

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha