You are here: home > Vetso

Vovoka isika - RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison

Azo vakiana?

Vovoka isika
Ianao izay mandia ny fiainana eto an-tany,
Tsarovy e,f'ianao dia vovon-tany...!
Vovoka monja!
Vovok'izay mbola havalon'ny onja!
Ny hany fitàna?Manaova ny marina
Fa na dia lavo im-pito,mbola ho tafarina!
Ny fiainana eto dia kodiaran-tsarety
Ka ny hany mba hafatro,manaova ny mety
Manaova ny tsara fa vovoka isika
Ny itsahintsika?Vovoka koa!
Noho izany,mifampanitsakitsaka isika!
Manitsa-tena...
sy mbola mifanambony tena
...
Mba saino anie izany!!!

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha