Mitia mangina (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny tsotra no nolazaiko anao
Hoe andao isika mba hiaraka
Kinanjo moa ny navalinao,
Dia teny ratsy variraraka
Ompa reny tsy ompa reny
Fanambaniana sesilany...
Naleoko moa tsy niteny
Hany sisa hery nitomany!
...Nionona ny saiko
Hangina fa tsy tiana e!
Ny hanadino aloha tsy haiko
Ary koa hitia mangina e...
Manontany tena aho
Hoe iza loatra re ianao
No mahatonga ahy hitalaho
Sy mampanao ny tsy fanao?
Ny valiny?-Satria aho tia anao.
Saingy atositosikao...
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
2288 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Nampiditra : sayyuk01
Daty : 23/12/2016 07:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014