TE - RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Azo vakiana?
TE
Te hahita ny tsy fahita ve ianao?
-Manaova aloha ny tsy fanao!
Te hitia fa miahotra?
-Misotroa aloha odi-tahotra e...!
Te handrombaka ny amboara?
-Mikotràna ary aloha tsara!
Te hanan-karena?
-Manondràna handra-mena
Te hiaraka @ manja?
-Ataovy tsara aloha ny kandra e!
Te haka ny fony?
-Miezaha ary mba ho ambony
Tena hoe,tena hoe te hifikitra aminy?
Mety ho zakanao ve aloha ny laniny e...?
Vola aloha vao fitiavana...
Vola aloha vao havana e!
...
Saingy raha olona mivavaka
Sy manan-toetra miavaka
Dia tsy mba manao toy izany!
Izaho izao te mba hahita izany!
Te mba ho any...
Aiza anefa izato lalana?
Manantena foana e!
Fa Any misy hakantoana...
Tsy mifidy saranga
Na sima na koa banga...
Ary tsy manavakavaka,
TE hahita azy aho e,ho ravaka...!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison

Nampiditra : sayyuk01
Daty : 12/12/2016
Mpamangy : 692
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny tsikitsikinaoHAFATRA
VAVAKA
Ny fitiavanao ry Ray
Indray andro any
Mitia mangina
Vovoka isika
mbola tsy masaka
Eo anoloan'ny sarinao
Fangatahana