Nofy (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa manofy aho izao alina izao
Ka manonofy eto izay mety ho aminao...
Tsy ho nofy an-terisetra...tsy ho nofy hangalarina
Fa ho tsiaroko anao,hanofy...!fa dia manina!
...Fa satriko hanofy mandavan'ito alina
Ka hitondra anao,anaty nofinofy lalina...
Ka ny riman-tononkalo,mandrotsy mahasondriana
No hovetsoiko ho anao,ho anao anie ry tiana!
Matoa aho manofy,manofy mangingina
Manofy anao izay tiako an-tsasak'alina sina
Dia efa fantatro mialoha fa ianao mihintsy
No honofisiko ao,na dia alina mangitsy...!
Ilay nofinofy anao izay fara-fahasambarako
Iriako,eny,anie mba tena ho anjarako!
Ilay endrikao sariaka,mitsiky foana izay...
No manjary sary...honofisiko eto indray...!
Ilay bolabolam-bikanao tadidiko firafitra
Kanto anie izany!meva,mahafinaritra!
Mandrotsirotsy mora ny masoko hatory...
Ka manaraka anao...afaka ny maha-ory...!
Matoa aho manofy na alim-pahanginana
Izao nofiko eto izao,nofim-panamasinana
Ny nofiko rehetra,s'ity fitia ity
Ho anao irery ihany,ho anao doria doria!
Matoa aho manofy sasatra toy izao
Ho fahatsiarovana sy fitiavana anao
Ry ain'ny fitiavako,ry maha-saro-piaro
R'ilay sarobidy sy tsy tiako afangaro...
Matoa aho manofy izao alina izao
Dia tiako hisokasoka...ny varavaram-ponao
Hidiran'ito fitia nofisiko takariva
Handrotsirotsy anao...fa tsinjoko madiva,
ny torimasonao...ary sao mb'izao
No olona manofy sy hampanofy anao...
Dia akimpio ny maso,f'izaho hanofy hatrany
Hanonofy anao...ka manofisa mamy!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1669 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143