Boboka (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Boboka aho ry Tanindrazako
Ka avela ianao ho eo !
fa izaho sy ny hazakazako
handositra fa efa leo
izato fahorianao
sy ny fijalianao
izay manjary fahoriako
ary lamba fitafiako !

... Aiza ve k'izaho irery
sisa no natao hijery
izato endrikao mivava
sy ny hasoanao voarava ?
fa ny maro dia efa tola :
Tao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona
Ka nalazo famololona.
Tao ireo lasana sahady
fa trotraky ny lazon'ady.
Tao ireo tsy nahasehaka
resin'horaka sy tehaka.
Nisy matin-kenamaso
tamin-tsiron-tsaramaso.
Tao ireo lavo tsy tafarina
nivaro-boba irony marina.

Ireny rehetra rehetra ireny
lasana any tsy niteny.
Ary izaho irery sisa
tamin'ireo an-tapitrisa
no milanja ity tolàna
izay mivaona sy mibàna.
Eny, izaho, izaho irery
no mifofotra amin-kery
sady tsy tafandry mandry
mampijoro izato andry.
Nefa itsy rindrina itsy
efa tazako mihitsy
fa mivaona tsy mahitsy
k'afaka fotoana vitsy
dia hidaboka, hikoa
raha tsy indray vonjena koa.
Ny zana-tohatra efa tapaka
toy ny rihana sy rapaka.
Ny tafo izay nataon'Ikaky,
indreo miantomboka ho vaky.
Maina koa ny lava-bary
Toa akaiky ny mosary.
Ny vy fahiny nampalesina
indreo fa lanin-karafesina ...

Te-ho folo izao ny tanako
hanamboatra anao, fananako.
Nefa dia tsy amboa tsy lambo,
ka raha avy izay antambo,
haninona aho no ho faty irery
hanolo-tena hanao vivery ?
fahafirin'iza aho
no hiri-doza be mitraho :
hianjeran'ity vovonana
sy ho voafingana an-tokonana ?
O ! mihidy izato vazako
k'eo ianao, ry Tanindrazako !
Avela ianao ho potipotika !
Avela ianao ho rotidrotika !
Izay mianjera, avela hianjera !
Izay te-hitsetra anao, mitsera !
Lasana aho ! Veloma ianao !
Izay mitranga ? Anao ny anao !

... Loza izato hasahiako !
Andray, iky, 'ty habibiako !
Nasiaka izato fitenenako !
O ! ifonako, anenenako !
f'iza intsony, k'iza intsony
O, ry lovako ambony
no hiaraka aminao
hizaka izao rehetra izao,
raha lasana aho mandao ?
O ! ianao irery sisa
no hany mba hamisavisa ...
Eny, ianao, ianao irery
no hizaka ireto fery
sy ny kaikitry ny fositra,
raha lasana aho mandositra !
Fa ny andro takariva
amin'izay ho tena ziva.
Ny maraina dia ho haolo,
Ny tanana dia ho ntaolo !
ka ny vahiny izay mandady
no hanatsatoka ny kiady
ity tananako fahiny,
noheveriko mba ho "afaka" iny !
Tsia ! fa hiova hevitra aho
Ka n'inon'inona fitraho
sy fanandindonao ho rava
hiorina eto lalandava
ny fisiako manontolo,
na lo ianao na bobongolo !

Ka avela hitsoaka izay hitsoaka !
Avela hipoaka izay hipoaka !
Avela hivadika ny rasa !
Avela ho lasa izay ho lasa !
fa matokia ianao, ry Taniko,
ry Sampy tiako sy andrianiko !
Ny ahy, jereo, io tanako io
f'homeko hery indray anio,
hanohana ny vatan-trano
na dia hahitako angano !
Ka raha alina ny andro,
f'efa dila ny masoandro :
ny voloko eo, ho lahinjiro
ary ny aiko no hamikiro
mandra-piavin'ny maraina
efa tsinjoko ao an-tsaina !
Ary ny hamboko rehetra
sy ny dinitro no feta
hanamboarako izay triatra ...
Raha tsy ampy ireo, ny rà tsy ritra
fa atosako, homeko
ho anao, ry fireneko ...

Ka na tokana ny tenako,
na voafetra ny harenako,
izao no hafatro aminao :
"Maty aho vao maty ianao."
Fara-faharatsiny aza
(aza atao hoe hevi-jaza)
miara-maty eto isika,
miara-rava sy mivika
fa tsy tohan'ny fisainako
sy tsy zakan'ny fiainako
izany ianao ho "rava irery"
tsy mba nisy mpampahery !
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Ady
23349 14
Hevitra mandeha
diaryfanomezamandresy ( 01/09/2017 20:12)
anisan'ny tonokalo nandona ahy indrindra iny tonokalo iny
rfanomezantoky ( 20/09/2019 12:35)
Fitiavan-tanindrazana tsy ho velon'izany efa tsy misy intsony
AZTECA ( 29/04/2022 12:58)
sao misy manana manontolo ilay tononkalon -dRado misy hoe
"izay very vakana,mbola hitady
izay very sampy, mbola hanolo,
ny zanaka kosa tsy tahaka an'izany
ny toera-nialany tsy mety voasolo"
Mankasitraka sahady ho an'izay mamaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : pissoa
Daty : 22/10/2010 07:55
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2336