Aza kivy (Rado)

Nantsain'i xxx
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra ka maloka ny andro
Manjombona tsy misy masoandro
Aza kivy fa mandalo izany
Fa ny fiainana tsy androany ihany

Raha tsy tratra izay nokasaina
Mba niezaka fa nody maina
Aza kivy fa mandalo izany
Fa ny fiainana tsy androany ihany

Raha tonga izay tsy fanànana
Tsy hita izay raisin'ny tànana
Aza kivy fa mandalo izany
Fa ny fiainana tsy androany ihany

Raha niendaka izay nifikirana
Miady irery ny tena sahirana
Aza kivy fa mandalo izany
Fa ny fiainana tsy androany ihany

Raha sendra sakaiza manody
Mamitaka tsy mataho-tody
Aza kivy fa mandalo izany
Fa ny fiainana tsy androany ihany

Raha misy ny manendrikendrika
Mitoraka sady manenjika
Aza kivy fa mandalo izany
Fa ny fiainana tsy androany ihany

Raha nianika làlana avo
Voadona ny tena ka lavo
Aza kivy fa mandalo izany
Fa ny fiainana tsy androany ihany

N'inona n'inona onjan'ny fiainana
Mamely mandratra fisainana
Aza kivy fa mandalo izany
Fa ny fiainana tsy androany ihany

Nalaina tao amin'ny boky " SEDRA" (takelaka : 39) sy "DINITRA" (takelaka :17 )
--------
Rohy:
Sokajy : Fankaherezana - Fiainana
2973 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : hery
Daty : 30/09/2023 07:13
Antsantononkalo
Nantsain'i xxx
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1168