Manirery (Rado)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manirery izany eto am-pijerena irikitra
masoandro diva hody
ny eritreritro ka, indro, midina manao an-tsitrika
any anaty ranomody.
Dia mihalotra ny very nolomorin'ny fotoana
nefa misy vontoatiny.
Ka mamafy fofon'aina hijoroany manoloana
avy ao anaty fatiny.

Misy tsiky tsy fahita raha tsy menamasoandro
ary anisan'izy ireny
ireo valona-nofy mamy tamin-tsinan-kerinandro
tao am-poko tsy ankiteny
Ny patrakalan-tsentosento, indreo natelin'itsy loko
izay mivolon-dranomanitra...
Saingy dia nahoana loatra no efa antitra ny foko
vao mamiratra ny lanitra ?


(28 mey 1995)
--------
Rohy:
369 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/01/2025 13:59
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0249