SORATY (Rado)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soraty

Eny fantatro, sakaiza,
ireo karazan-tefitefy
izay mitranga hatraiza hatraiza,
entina mamefifefy
ny hafatra nomena antsika...
Nefa aza ovana dika,
na araraka amin'ny tany ny ao am-pon'ireo vahoaka
nampitondra teny antsika, mba hatranga sy havoaka..
anaty memy mahamay.

Eny, 'ndeha soraty indray
ny antsoantson'olon-dresy hitatsika mandry fotsy
sy ny kiakan-jazakely, mosarena rotsirotsy
tsy ninono tapak'andro.
Ary ireo 'zay ny masoandro
no mba solom-pitafiany
ao anaty fahoriany...
fa mitrosa ny omaly amin'izay ho azo ampitso
ka indreo mananga-trano amin-tapaka fanitso
efa sisan'harafesina...

Soraty koa mba horenesina
tsy ho fandatsana akory,
sanatria, fa fo mitory
fiarahana miory
amin'ireo karama kely: herim-po tsy misy vidiny
efa banga hateloana noho ny aretina tsy fidiny...
Kanefa nony injay mitaky fanondrotana karama
dia valiana boribory hoe ''manohitra lalàna'',
ka roahina ho fay !

Eny, 'ndeha soraty indray
irony rariny takiany avy ao anaty tranobongony
sy hetra manamaina ny atin'ny vilany nongony,
soraty koa ny fitakiany te hamantatra ny marina
nefa toa vetezin-dia amin'ny zavatra namboarina...
Soraty koa ny zony very tsy hahazo misafidy!
Soraty koa ny hetahetam-pahafahany voahidy
sy ity fangasihasiny,
fa ianao no taratasiny!

Eny, 'ndeha soraty koa
ny hadalana tsy mba roan'
ireo mamoina tambitamby dia mirebika mandihy
eo ambony fahoriany... Ireo mihatsara ivelatsihy
mitehaka ny fahantrany amin'ito rovi-dambany
ka milaza fa mahita amin'izato maso jambany...
Soraty ihany
hatrany hatrany
n'inon'inona miseho, fa ny ranomaintintsika
tsy navela mba ho ritra

tsy natao hatsora volo,
tsy azo avela ho bobongolo
raha mbola misy tebiteby sy ahiahy manelontselona
ny fiainan'ny vahoaka sy ny zon'ny olombelona.

Asa izany sady Ngeza!
Ka soraty ! Mahereza !

RADO (22 Jolay 1971)
in ''dinitra'' p.138-139-140
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
288 3
Mpakafy: TononkaloNM - rina15 - hery
Hevitra mandeha
hery ( 21/04/2024 20:28)
Ohatry ny misy diso tsipelina kely fa hamarino hoe
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 20/04/2024 11:43
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157