Fotsiny (Rado)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako fotsiny ianao
Tsy asiana hoe "Nahoana"
Na tovonana "Satria"
Fa tiako fotsiny amin'izao
Tsy amerana fotoana
Tiako fotsiny doria

Ny "Satria" sy ny "Nahoana"
Mety ho takatry ny saina
Tetika ikendrena laka ...
Haingon-teny babangoana
Rindram-bolam-bery maina
Ravina tsy misy faka

Tsy ny teny izay tononina
No hahafeno fitia
efa feno rahateo
Tsy ny toky izay foronina
Mora rava sy malia
Fa ny fo tsy manam-peo

Rado
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
751 1
Mpakafy: Nivohanitra24
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 27/11/2023 06:48
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015