You are here: home > Vetso

SEPTAMBRA - Rado

Septambra!
  
Vaky tady teo ny hatsiaka ary injao manarangarana
ao anaty voninkazo ny molotry ny lohataona
te hitsiky mba ho hanitra.

Mihamazava takariva ny tokonam-baravarana
hijoroan-tovovavy tsara bika sy afa-tsaona
mitsinjo faravodilanitra.

May ny lamban'ny ririnina ary mihamanga indray
ny habakabaka rehetra, toa angano sy arira
ireo fanala izay nandalo.

Ny takolaky ny tiana efa hantsatra hatrizay
dia nanjary nihodi-bola, mihantsihantsy tonon-kira
sy mitady tononkalo.

Ireo mosarena hafanana, tsy nitsahatra nitaky
izay anjara-masoandro, hanafana ireto havany
tao anaty fivavahany.

Ny any am-ponja koa nitsiky, f'eo an-tafon-trano vaky
nahitany silan-danitra efa nandrandrain'ny tavany
mba ho tara-pahafahany.

Septambre!

Rado (Dinitra)

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : hjravs
Daty : 09/08/2016
Mpamangy : 7365
Mankafy : 4
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOUROMANGA
Mpangalatra
halako
SATRIKO HOLAZAINA ANAO
RAVIN-KAZO MAINA
MENA

Hevitra mandeha

andry 1000 (15/03/2019 08:27:39)

misaotra an'i hj ravs nampiditra an'ireo tononkalo ireo fa tena tsara

Hametraka hevitra

Midira aloha