You are here: home > Vetso

FIAINANA TILY - Rado

Nantsain'i
ikalamako

Matoa aho mitolona hanompo ny taniko,
Namindra mahitsy tsy nety nivily.
Tsy hoe fitafiana sendra nindramiko,
Fa vavolombelon'ny fiainana Tily.

Matoa aho mitaiza ireo ankohonako,
Ho tia fihavanana sy fahafahana.
Dia noho ilay fiainana Tily ivelomako
Efa namako sy nahazo vahana.

Matoa aho mitsiky tsy resin'ny sarotra,
Na inona sakana mitranga.
Dia ilay fisainana tia karokaroka,
Hamorona foana hameno ny banga.

Matoa aho voababon'ireo zava-kanto
Indrindra fa ireo vakodrazan'ny gasy
Po√ęzy sy hatsikana ary hira voalanto
Dia noho ilay fiainana Tia afon-dasy

Hevitra mandeha

hery (14/10/2022 17:14:30)

Misaotra betsaka nampiditra

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : NyAndraina
Daty : 12/10/2022
Mpamangy : 504
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Fahendrena
Sedra
FONY
Gasikarako, Tiako ianao,
TSY VOASOLO
Ry tenindrazako
MPANGALATRA
Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta