Tia (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao no sady halako
Fa mangidy koa no mamiko!
"Fahavaloko", "Malalako"
samy anaranao raha amiko.

Angolaiko hoe "fitiavako"
Na mbantiko hoe "Mpamitaka"
Mifangaro eo am-bavako
ny hatezerana sy sitraka.

Tezitra aminao ny foko
Misamboaravoara erikitra!
Kelikey indray...Misoko
ilay fitiavako mamikitra.

Rado (1966)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
29246 13
Hevitra mandeha
mimisou ( 11/12/2006 13:24)
tsara loatra io tononkalo io ,inoako fa izay rehatra tia olona dia efa samy nahatsapaizany avokoa
za19ra ( 19/06/2010 13:34)
tiako io tononkalo io
Soarilala ( 22/06/2010 14:48)
Satria tokoa mantsy ny olona tena akaiky anao ihany no tena hamborahanao izay ao am-ponao ao;Tsy misy olona tonga lafatra; Ka raha misy zavatra mahafaly na mahasosotra anao amin'ny olona tianao dia lazainao tsy mihambahamba tsy misy fihatsaram-belatsihy. Izay no tena fitiavana.....
tiana2 ( 28/10/2014 07:09)
Zany ka tena poety
Siitraka ( 16/08/2015 14:19)
tiako satry tsara loatra
niainarado45 ( 23/03/2017 17:28)
Tiko be le tönönkalo ts ho faty anie ny asa soratr ar veluna mandrakizay
sendratiana ( 22/06/2018 03:42)
tiako, tiako, tiako ten tiaka ka ho vakiko ary tadidiko. tsara loatra
Rakangatsarasoratra ( 10/02/2024 17:08)
Sendra nanomana cours mahakasika an'ity tononkalo iray ity aho no nahatsiaro tampoka hoe misy tononkalo malagasy milaza zavatra mitovitovy aminy :
Je vis, je meurs, je me brûle et me noie,

J’ai chaud extrême en endurant froidure,

La vie m’est trop molle et trop dure.

J’ai grands ennuis entremêlés de joie.



Tout à un coup je ris et je larmoie,

Et en plaisir maint lourd tourment j’endure ;

Mon bien s’en va et à jamais il dure ;

Tout en un coup je sèche et je verdoie...

Fa ny an'i Rado tsotsotra nefa mafonja, ary manakaiky kokoa ny fahitako ny fiainam-pitiavana. Kanto ery!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : herinaivo
Daty : 10/12/2006 17:44
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154