Rehefa tia (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tia ianao, tiava fotsiny ihany
Fa aza mieritreritra hilaza izany akory
Tehirizo anaty 'lay eritreri-mamy
Sao vaky fefiloha ny sisin'ny kamory

Nahoana raha mangina fotsiny am'zao
Sao ny sarobidy no lasa very hasina
Hiverina im-piry ny sotrokelinao
Vao mety haharitra izato ranomasina

Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao
Fa maika hampitombo ny rakitry ny fo
Filamatra iray no holazaiko anao
Ny tia fa tsy miteny, no tena tia tokoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
27629 13
Hevitra mandeha
Malalason ( 22/08/2006 06:13)
rehefa tia ianao mitiava,
fa aza manantena ny volana ho rava...
mbitaniavo ( 09/09/2006 07:33)
ka raha marary fo amin'izany eo dia ahoana? tsy aleo ve mba aboraka ihany ahitana izay mba valiny e!
RAILOVY ( 09/10/2006 11:49)
aleo tenenina iany rf misy fitiavana fa manjary manimba io raha kobonina ao anaty fotsiny
Ryana ( 19/10/2006 14:55)
Tena marina!
Ryana
miela ( 21/06/2007 23:28)
azo atao ihany ny tsy miteny fa mety ho tanteraka foana rehefa anjara.fa maharary aloha mandrampahatongan'izay e
hariL ( 28/06/2007 08:11)
manahirana ihany! meto marina. saingy aleo mba sahy eh! sa ahoana?
hariL ( 28/06/2007 08:11)
manahirana ihany! meto marina. saingy aleo mba sahy eh! sa ahoana?
Niantsirabe ( 10/11/2007 14:24)
inona no hevitra
fa tia tsy mahatana
ny ngotraky ny fo ity havanao
Ni..!
ravakangel ( 18/01/2008 14:27)
marina iany alou zay e!fa refa tena tia ngeh tsy misy mahatazona ny ao am-pony zany fa tsy maintsy mamboraka foana e!!enoy fotsiny izay ambaran'i fonao,fa raha ratsy ny valiny dé aza kivy fa mbola tsy anjara,raha eny mou d arahaba soa arahaba tsara e!!
ramamsh ( 18/04/2008 10:21)
rehefa tia toa tiana ery ny mijaly noho izany ary ny tena manahirana dia rehefa voambara ilay fitiavana amin'ilay olon-tiana dia tsy midoboka be intsony ny fo.ny tena tsara dia ilay aborediky ny fitiavana iny rehefa eo anatrehan'ny olony-tiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : ledada
Daty : 17/08/2006 07:49
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166