You are here: home > Vetso

Ho an'ireo Namako - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

 Tiako daholo ianareo namana
 Na ny havia izany na ny ankavanana
 Tiako ny kely tiako ny lehibe
 Na ny ankehitriny na ny taloha ela be

 Nomenareo ahy ny tena Fitiavana
 Nefa ianareo tsy tena havana
 Nareo no nahatonga ahy ho lasa nasandratra
 Teo an’ilanareo aho ka nahatsiaro sambatra


 Tao ny ady sy ny fifandirana
 Tao koa ny andro izay nampanahirana
 Ny fitiavana anefa no tena mahery
 Koa nisy anareo aho tsy mba irery


 Tiako isika raha hiaraka foana
 Indrisy anefa, fa voafetra ny fotoana
 Raha sendra mahatsiaro ianareo dia izao tokoa
 Mijerè « Dessin animée » Sangoku

 Izay angamba no azoko hambara
 Ho an’izay zavatra hitranga any afara
 Tsara ho  fantatrareo zany zalahy
 Fa tsy hanadino anareo mihintsy Ejicà

Sokajy : Namana

Hametraka hevitra

Midira aloha