IZA HOY IANAO NO DISO? (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Iza hoy ianao no diso ?
 Raha niray isika roa
 Nifanaiky niara-niaiky
 Nifankatia nifanao soa

 Iza hoy ianao no diso ?
 Raha nahery ilay Fitia
 Izay nanambatra ho vato
 Nanamafy koa ho Vy

 Iza hoy ianao no diso ?
 Raha nipoitra ireo olana
 Nanalemy nanakivy
 Nahatsapana ny mangidy

 Iza hoy ianao no diso ?
 Raha nanomboka solafaka
 Ilay fitiavana nafana
 Toa Fitia noraràna

 Iza hoy ianao no diso ?
 Raha niezaka aho niaro
 Ilay akany kelintsika
 Akany kely nangatsika

 Iza hoy ianao no diso ?
 Raha toa nidiran’olon-kafa
 Ny fiainan-tokatranon-tsika
 Niharihary lasa hita

 Iza hoy ianao no diso ?
 Raha toa ka maty ilay Fitia
 Iza hoy ianao no diso ?
 Raha toa nitsonika ilay Vy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
344 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0578