You are here: home > Vetso

MINO AHO - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Azo vakiana?

 Izaho mino an’i Kristy
 Izay efa tonga tety
 Hamonjy izao tontolo izao
 Mba tsy ho very izaho sy ianao

 Izaho mino ny Batisa
 Handevin’ota tsy voatanisa
 Handray fanahy manan-kery
 Mitarika ahy tsy ho very

 Izaho mino ny baiboly
 Handresena ny devoly
 Koa mankahala ny ratsy
 Hiaro ahy tsy ho faty

 Ny sabata no hinoako
 Ny ankoatr’izay dia ho afoiko
 Io koa mantsy didy folo
 Izay ho tandremana daholo

 Izao mino sy mazoto
 Hifady biby izay maloto
 Tsy ho aniko avokoa
 Izay rehetra tsy mahasoa

Sokajy : ahy