HO AN-JANAKO (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Mba fantatrao ve ry sombiniaiko
 Ny hasarobidinao amiko
 Hiaro anao no ato antsaiko
 Eny! na amoizako ny aiko

 Injay ny ranomasonao milatsaka
 Mampangoraka ny foko
 Ny feonao mitaraina fatratra
 Mahonena ahy ianao mitoloko

 Zanako a! tiako ianao
 Hareko ianao; reharehako ianao
 Tsy foiko mamiko indrindra
 Na ho tsara ianao na ho ratsy famindra

 Aza omena tsiny re ty rainao
 Ra toa ka hisento; hanjombona irery
 Hitahiry ireo fitiavana anao
 Hamikitra izany tsy misy very

 Mba fantatrao mo ve ry ilay mamiko
 Ny antony hiezahako eo amin’ny fiainana
 Fa ny hikatsaka ny hahasoa anao
 Hanampy; hanohana raha misy ny itarainana

 Ny hiariko harena koa
 Ny anaovako ny aiko tsy ho zavatra
 Dia ho anao; ny isambaranao moa
 Ny hatsapanao; ny lanjanao amiko

 Papa tsy manadino anao zany ka
 Sahirana amin’ny ho avinao fotsiny izy
 Raha toa ka tsy hitanao matetika
 Fa tsy sanatria manao sambo milentika

 Eny e! afaka mitsara ahy ianao anie!
 Izay eritrritrao ahy teo amin’ny fiainako
 Fa ny teniko aminao fotsiny de hoe;
 Tiko ianao amin’ny andro rehetra iainako

 Averiko fona ihany zao teniko izao
 Fa tiko tena tiko ho aho ianao
 Koa meteza ary ahatsapa ny fahoriko
 Fa iady ho anao no antom-pisiako
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
343 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148