NY TENA NAMANA - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
ikalamako
Ny tena namana dia tsy manary
Manampy amin’ny andro sarotra
Maneho fitia miharihary
Mamonjy anao tsy anadi-varotra
Marary ny marary anao
Mitomany ny alahelonao izy
Mahatsapa ny fahorianao
Fa raha ny akoatr’izay dia tsy izy
Ny tena namana dia sahy
Mijoro ho namanao eny foana
Dia ilay miseho ho rahalahy
Mananatra anao raha sendra mivoana
Tsy ny liana rehetra aminao no namana
Na izay mahafantatra anao ihany koa
Tsy ny manantona anao nohon’ny zavatra ananana
F’ilay mihantra anao raha sendra ka voa
Ny tena namana dia tsy maro
Fa roa nairay ao anatin’ny zato
Miady ho anao ary vonon-kiaro
Amin’ireo olana misesy tsy an-kiato
Ny tena namana dia saro-tadiavina
Nohon’ny habetsan’ny namanao
Ny tena namana tsy mifidy fiodirana
Mifanampy aminao raha toa sahirana
Ny tena namana tsy mifidy saranga
Tsy mifidy na foko na firazanana
Ny tena namana dia mpameno ny banga
Resam-pitia fa tsy resam-pananana
Ny tena namana dia sahy mijoro
Na ora-mijinja na afo mandoro
Manampitia izay tsy voafetra
Manohana anao amin’ny andro rehetra
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Nampiditra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Daty : 17/09/2022
Mpamangy : 242
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
VELOMA MBOLA IHAONAHO AN'I DADA
TOA TSY SAHY AHO
MINO AHO
HO AN-JANAKO
TAO ANATY ONJA
NAMAKO IREO
IZA HOY IANAO NO DISO?
HO AN'IZA HOY IANAO NY TSINY?
MIVERENA!