TOA TSY SAHY AHO (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Toa tsy sahy aho, na ny hieritreritra akory
 Ny hoe: hamboraka fitia aminao
 Tsy aiko mantsy na mbola matory
 Na tsy ho amiko ny fitiavanao

 Tsy sahy aho kia satria nahoana?
 Mpinamana loatra anie isika e!
 Raha ny tiko manko dia hitohy eny foana
 Ny fiarahantsika ho mandava-taona

 Tsy sahy aho fandrao lasa hanimba
 Ny fiavanatsika roa no nataoko
 Hamotika, andrava, sy hanimbazimba
 Ilay finamanana madio sy mirindra

 Tsy sahy aho marina e!
 Ny ilaza aminao ny tena ato ampoko
 Ny tao ambadik’ireo lasantsika
 Sy ny hevitra fonosin’ireo zavatra vita

o Mamiko loatra manko ireo fotoana
o Nifaneraserantsika roa hatrizay
o Eny e! Raha ny iriko tanteraka ho tafahoana
o Ny foko sy ny anao itempo ho iray

 Nofinofiko izany a! mbola fanirina
 Mbola vinavina satria ilana fasahiana
 Fasahina tsy inona fa ilay tiko ambara
 Ataoko fa arakao ny fizotrin’ny tantara

 Tantarantsika roa izay niaraha-niaina
 Tantara tena soa raha ny amiko aloha
 Nahitako fahasambarana, nefa tsy nampoizinao
 Ka tsy tiako ho faranana na dia tsy itanao

 Tsy sahy aho nefa tena tia
 Ampio re aho, amboraka fitia
 Fitiavana madio ho anao ry tiana
 Ampio aho, anam-pasahiana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
406 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015