You are here: home > Vetso

VELOMA MBOLA IHAONA - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Azo vakiana?

 Atreto ilay ora voatendry
 Izay tsy maintsy ifandaozantsika
 Koa tapitra hatreto ary ny karenjy
 Tsy maintsy farànana na mbola tsy vita

Tonga ary inty ny fotoana
Izay tsy maintsy isarahana
Andaozako ny anaranao
Andaozako ny fitiavanao

Tena mafy amiko tokoa  
Ny andao anao ry ilay namako tiako
Nohon’ny hamaroan’ny soa
Nafafinao ahy antsitra-po

Iny ary aho no lasa koa veloma!
Andao anao an-dranomaso
Hitodika hamonjy ny fodiana
Manjonitra, malahelo anao mangina

Misaotra tamin’ny fitiavana
Mba niezaka namalifaly
Ireny amiko tena goavana
Indrindra amin’ny  ara-moraly

Tsy ho lefy ato ampoko ireo fotoana mamy
Nifampizarana ireo kolon-tsaina
Indrindra eo amin’ny sehatrin’ny fizahan-tany
Miraikitra ao andoha tsy miala ao an-tsaina

Ny hafatro dia aza manadino
Ilay tantaran-tsika niserana
Izao manko mahatoky sy mino
Fa ho avy ny andro iverenana

Mahereza ary izany namako izany
Mahereza! Aokizay ny tomany
Tsy ho adinoko ireo zavatra vita
Mino fa mbola ifankahita

Sokajy : Alahelo