HO AN'I DADA - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Azo vakiana?
Isaorako ianao ry Dada
Fa nanaiky ny adidy izay napetraka
Nanao izany ankitsim-po
Nanao izany tsy andolo-po
Nitaiza ahy, sy nanabe
Nitrerona, nikapoka, sy nifehy
Nanoro ny lalana tokony hizorako
Nanosika ahy tamin’ny fianarako
Nisorona ho ahy raha sendra aho ka noana
Nanafy ahy tsy ho olon’olom-poana
Nampifaly ahy raha sendra aho tomany
Naneho fitiavana tsy nisy otrizany
Nanohana ahy raha indro aho ka lavo
Nikasa hatrany ny hanandratra ahy ho avo
Nanao izay niavahako tamin’ny rehetra
Nibango, nanadio mba tsy ho voretra
Nitaiza ahy tamin’ny finoana
Ahatonga ahy ho lasa olom-banona
Nanampy aram-panahy tsy ho lotoana
Mba ho tahiana amin’ny asa sahanina
Nanome ny rehetra izay nilaiko
Nanao izay nahafinaritra ny saiko
Nandany vola aman-karena
Mba ananako ilay fahendrena
Tsampako ankehitriny
Fa tsara nohon’ny dada rehetra ianao
Noho ireo vitanao fahiny
Dia ilay fitia tsy ankilabao
Dada a! atolotro ho anao ity asa-soratro
Mba ho solon’ny fisaorako ho anao
Koa raiso ary inty aingam-panahy
Ho ela velona ianao, Jesosy hitahy!
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Nampiditra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Daty : 17/09/2022
Mpamangy : 305
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
VELOMA MBOLA IHAONANY TENA NAMANA
TOA TSY SAHY AHO
MINO AHO
HO AN-JANAKO
TAO ANATY ONJA
NAMAKO IREO
IZA HOY IANAO NO DISO?
HO AN'IZA HOY IANAO NY TSINY?
MIVERENA!