BANGA - raozy

Mpanoratra : raozy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 14/11/2006
Mpamangy : 679
Isa : 4.3
Fidio :







Amore !!!!!

Banga anao ny foko,
Ka tsisy izay tsaroako
Ny fiainana ivelany
Satria ianao no erany

Banga anao ny saiko
Ka ny asa izay vitaiko
Toa zara raha vita
Tsi’sy izay tafita

Banga anao ny tranoko
Fa ny tena anganoko
Dia ilay farafara
Mangatsiaka tsara

Banga anao ny efitro
Ka simba ny eritreritro
Ka izay rehetra jerena
Toa sary mahonena

Banga anao ny fiainako
Maizina ny marainako
F’ilay tsikinao mpamoha
Lasana ambiroa

Banga ny tontolo,
Fa hay ianao daholo
No vahatry ny fiainako
Sy zahatra fisainako

Banga tena banga
Sady vangavanga
Ny lalana lalovako
Anaty fitorovako

Sokajy : Alahelo

Hevitra mandeha

helitiana (14/11/2006 13:31:15)

tena tsara,izany rehefa tia ....

katiaa (31/01/2007 01:33:42)

iee

Hametraka hevitra

Midira aloha