Irery (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Irery

Seza sy latabatra
efitra mangina
karazandrazan-javatra
feno fitoniana

Fitaratra mirindrina
jiro tsy mirehitra
tandindondinon-drindrina
aizina dorehitra

Aloka sy rahona
fiainan-tsamirery
afero miharo vahona
mangidy ny irery

12/07/02
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1842 3
Mpakafy: Rhayman - raozigasy - NyKanto
Hevitra mandeha
booboo ( 02/07/2004 10:45)
Marina izany ! mangidy ny irery fa soa fa misy ny namana รด ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031