Maty aho - raozy
Maty aho hoy ianao
nefa ny feonao, manonona izany,
mamy dia mamy
Maty aho hoy ianao,
nefa ny sefonao, mandravaka ilay feo
mbola velon'eo
Maty aho hoy ianao,
nefa ny masonao, mikimpy tsy mitony
manaraka ny fony
Maty aho hoy ianao,
nefa ny fonao, midoboka imbetsaka,
ny tratra mila hitresaka
Maty aho hoy ianao,
nefa ny fikitrao, mbola maka fy
mianoka fitia
Maty aho hoy ianao,
maty matinao, izaho nefa tsy mamono,
fa mi...tonotono
dia hoy aho aminao
aza maty aloha, tsy aleo ve isika roa
no miaraka mitanty izay mety hahafaty ??????
Sokajy :
Aingam-panahy
Tononkalo hafa
Fitia tandrimoHampitondraiko anao
Roa taona
Efa tofoka sy Lao
Izy tsy handao anao
Arahaba an-tselika
Aok izay
Omeo ahy
RY zanaka adala
Tompo o ! o aiza no alehako raha lavitra anao
Hevitra mandeha
efizzay (10/08/2010 23:24:49)
raozigasy (11/08/2010 02:39:41)
tslem (11/08/2010 09:55:23)
Raha azoko tsara dia io izany lé maty lasa fiteny mahazatra toy ny hoe "maty aho mama a! " sa......?
raozigasy (11/08/2010 11:11:50)
ié sy ilay hoe mama ah mama ah !!