You are here: home > Vetso

Veloma ianao Shoan - raozigasy

Veloma ianao Shoan, Hoy ny namana sy fan
Veloma ianao akia, Hoy ry Barbies
Veloma no amen, Hafatry ry ken
Veloma ianao Shoan, Hitraka izahay na fanina

Ny fotoana izay niarahana, Teto am-pandalovana
No tapitra nifarana ho lasam-pahalovana
Fa ireo fiaraha-mamy, niraisantsika dia
Hijanona ho tantara, tsiaro ho doria

Ny lalanao no tapitra, ny fiainanao no vita
F’ireo fifalianao, niampita dia niampita
Ilay tsikinao mpandresy , ny hetraky ny tany,
Hijanona ho anay , ny heriny tsy ho lany

Ireo sangy, vazivazy, somonga sy ny sisa
Hijanona ao am-po , ho lasa fitanisa
Ireo traik’efa nozinara, nentinao nisera
Ho tsangambatonao, sarotra azera

Ny lalanao an-tany, nandalo taminay
No tapitra sy vita, izay no anjara izay
Fa ny soa navelanao, ny mamy izay napetraka
Hampitraka anay, raha toa izahay ka ketraka

K’isika raha hisaraka, noho ny lalàn’ny tany
Dia veloma avy ao am-po , no manohy izany
Ka ny teny farany, “Mandria am-piadanana “
Ireo tsiaro avelanao, tehirizinay an-tanana

Veloma ianao Shoan, Hoy ny namana sy fan
Veloma ianao akia, Hoy ry Barbies
Veloma no amen, Hafatry ry ken
Veloma ianao Shoan, Hitraka izahay na fanina

Hevitra mandeha

ikalamako (07/07/2010 10:42:02)

veloma njy ry miss !!!

bichette (07/07/2010 15:37:24)

Fandalovana tokoa ny ety an-tany.

maeva74 (09/07/2010 18:55:51)

Veloma ianao Shoan, Hoy ny namana sy fan
Mankasitraka an'i Raozy

fabrice1995 (31/08/2012 21:32:57)

zan ka tononkalo

Hametraka hevitra

Midira aloha