You are here: home > Vetso

HIARINA AHO - RFE Andria

HIARINA AHO

Na lavo im-pito aza aho dia hiarina
Ka hanaiky ihany ny mba ho anarina
Hiarovana ahy ny mba tsy hivarina
Hizotra hatrany amin’ny làla-marina

Hiarina aho an-tany nahalavoana
Sy mba hiezaka amin’ny fijoroana
Ka na hifofo ireo mampitsirara
Hiarina hatrany aho, hijoro tsara

Raha azo atao, tohano lehiretsy
Fa misy mamotraka, mametsifetsy
Ho amin’izany anie no ilàn-tsakaiza
Hanarina ny potraka na aiza na aiza

Na tsy hisy hanampy aza, hiarina aho
Fa tsy handany andro amin’ny talaho
Na lavo im-pito aza aho dia hiarina
Hizotra hatrany amin’ny làla-marina

Tsiky Arofanina – 06/09/2015

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : Arofanina
Daty : 06/09/2015
Mpamangy : 718
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA

Hametraka hevitra

Midira aloha