You are here: home > Vetso

MANAN-KAMBO - RFE Andria

Azo vakiana?

MANAN-KAMBO...

Tsy malahelo olon-tsy manina
sao ho noana tsy hahatelin-kanina

Tsy manembona olon-tsy tia
fa mampaharary sy he mampahia

Tsy mitamby ny tsy an'ny tena
sao ho fanina ka hivembena

Manan-kambo fa tsy matin-kambo
tsy biby ka hifori-drambo

Iray no niala ka aleo ho any
mbola maro ireo manontany

ARIVELO Naivo
10/06/2017

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : arofanina
Daty : 10/06/2017
Mpamangy : 1203
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA
VAVAKA (1)