HAFATRA - RFE Andria
Azo vakiana?
(Nosoratana ho an'ireo mangalatra ny asasoratry ny hafa)
HAFATRA
Ry sakaiza
ratsy taiza
ekeko fa nanaitra
satria angamba raitra
ilay asasoratry ny hafa
mba nitafatafa...
Dia rafitra ianao
tsy nihamba tsotra izao
nangalatra, nandika
nametaka ilay fika
fanaonao mahazatra
nihevitra tsy ho tratra...
Mosavy atao alina
-noheverina ho malina-
mbola hita ihany
mainka fa izany!!!
Eo vao voabaraka
fa toy ny mitsidrahaka
traingo ny nafenina
manaikitra ny nenina...
Mba saino re lehiretsy
fa aza fetsifetsy!
Tsy aleo ve toa anay:
mianoka dia izay?!!
ARIVELO NAIVO
10/05/2017
Sokajy :
Aingam-panahy, Eritreritra mandalo
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 10/05/2017
Mpamangy : 2206
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
VAVAKA (1)