HANGINA AHO... - RFE Andria
Azo vakiana?
HANGINA AHO...
Eny ho'aho, hangina aho
ny ranomasoko nitraho
efa tankina sy ritra
ny foko: rovitra sy triatra...
Fa nitia aho, eny babo
ny fitiavako niabo
nihanafana sy nisonga
nitrebona, nirongaronga
Saingy izao dia voatery
- sao hanolatra ny fery -
hokobonina, halevina
fonosan-dandy soa matevina
Koa hangina aho, eny, hangina
hivongika fahoriana
satria tia sady tiana
nefa tsy afaka hifaliana
Arivelo Naivo
08/09/2017
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 08/09/2017
Mpamangy : 2370
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA
VAVAKA (1)