ZOVY? - RFE Andria
Azo vakiana?
ZOVY?
Zovy moa no poeta tsy nihira ny diavolana
rehefa injay ny fitia no misedra izany olana?
Zovy koa no poeta tsy nikalo irony kintana
ka namisavisa teo ny anjara sy ny vintana?
Zovy ho'aho no poeta tsy nandoko volon-danitra
sy ireo voninkazo kanto mamerovero manitra?
Zovy re no poeta tsy nanorina ny akaniny
tany am-bohitry ny nofy sy nianoka ny hamaminy?
RFE Andria - 30/05/2017
Sokajy :
Aingam-panahy
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 30/05/2017
Mpamangy : 1647
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
TSY HAIKO (2)
HAFATRA
VAVAKA (1)