NOFIKO, HONO... - RFE Andria
Azo vakiana?
NOFIKO HONO...
Nofiko, hono,
fa nifankatia
sy niara-dia
isika sy indry
Dia nifampisangy
nifamangivangy
nilalao voahangy
Tsy nahalala nody
tsy nataho-tody
toy ny azon'ody
Dia niara-tsambatra
tsy niambatrambatra
fa tafatambatra...
Hay ka nofy ihany
niserana izany
ka nampitomany...!
Tsiky Arofanina
17/09/2017
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 17/09/2017
Mpamangy : 2533
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
AZA MANAIKYLEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA
VAVAKA (1)