INAY ANIE AHO... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INAY ANIE AHO…

Inay anie aho ho toy ny voromanidina
Rehefa ho any aminao dia tsy mihodidina
Fa avy hatrany manao hitsin-dàlana
Dia tonga matetika fa tsy mahalana

Inay anie aho ho ilay tsio-drivotra
Manafosafo tsy mba mihodivitra
Manoroka mora ny takolakao
Isa-minitra dia eo anilanao

Inay anie aho ho ilay tana-masoandro
Mitondra hafanana raha vao miranandro
Mandokoloko an’ilay fitsikiana
Eo an-tavanao malala sy tiana

Inay anie aho ho ilay rano fisotro
Tsy misaraka aminao ao anaty sarotro
Manala hetaheta sy mamelona aina
Manome hafaliana anao sombinaina

Nefa satriko ihany ny ho toy izao
Manjaka irery ao am-ponao ao
Hany eto an-tany amborahanao
Ireto teny ireto hoe : «TIAKO IANAO ! »

RFE Andria – 26/04/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
822 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 26/04/2015 14:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155