LANITRA SY TANY VAOVAO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LANITRA SY TANY VAOVAO

Mikororosy ny tontolo
Mitontongana daholo
Zary lasa bobongolo
Vokatry ny fahotana
Izay nafafin’i Satana
Tamin’i Eva sy Adama
Notohizan’ny taranany
Fa tsy hoe nofaranany:
Nosimbainy ny fananany
Toa nandrora nitsilany
Isika rehetra amin’izany
Ravantsika ity tany…

Soa anefa fa tsy very
Mbola teo Ilay Mahery
Nanolotra fitia tsy an-tery
Dia i Jesosy Kristy
Maty tao Kalvary
Avotra ho antsika ety
Aminy ny fanarenana
Izy no Ilay fanorenana
Hany azo ianteherana

Koa manomboka izao
Mitrakà dia antenao
Lanitra sy tany vao
Fa efa lasa ny taloha
Ary paradisa soa
Izay tsy manam-paharoa
No nomaniny ho tanàna
Honenana sy hahatamana
Izay no Teny Fikasana

RFE Andria – 28/06/2015

Notre monde est en plein chaos, et nous autres, humains, en sommes la cause. Et tout cela parce que nous sommes des pécheurs, des créatures déchues dont la nature, au fond, est mauvaise. Nous aimons pourtant penser que l'Humanité avance, qu’elle progresse, mais rien que l'histoire du siècle écoulé n'est pas très encourageante. Nous n'avons pas encore fait un quart du siècle présent, et les choses ne sont pas très engageantes non plus. Si le passé préfigure l'avenir, tout ce que l'on peut attendre, pour citer un ancien homme politique britannique, c'est « du sang, de la peine, des larmes et de la sueur ».

Cependant, tout n'est pas perdu. Au contraire, Jésus Christ est mort pour nos péchés, et par sa mort nous avons la promesse du salut, de la restauration, de toutes choses devenues nouvelles. « Alors je vis un ciel nouveau et une terre nouvelle, car le premier ciel et la première terre avaient disparu, et la mer n’était
plus. » (Ap 21.1.)
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1644 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 28/06/2015 19:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153