VAHOAKA ATAO TAKALONAINA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAHOAKA ATAO TAKALONAINA

Depiote sy mpanao politika
Feno fikafika
Ny antenimieram-pirenena
Fitiavan-tena
Vola be no mikararàna
Tena igagàna
Izao ny Filoham-pirenena
No mivembena
Ireo vahoaka sesehena
Hosihosena
Tsy misy raha ny fitoniana
Azo tsiniana
Ary ny fandriam-pahalemana
Ts’isy ianteherana
Ny fahantrana lozantany
Manao sesilany
Ity kodetà* manara-penitra
Mba maha-jenitra
Isika Malagasy tia tetezamita
Tsy maha-tafita
Fa ny vahoaka monamonaina
Atao takalonaina…

Antsoina ny olom-boafidy
(Sa olom-boavidy?)
Mba tsy hifanonganongana
Fa mampitontongana
Ajanony ireo fingampingana
Sy fintampintana
Aoka kosa ny fampandrosoana
No himasoana…
Ianao vahoaka tongava saina
Tsy ho takalonaina…

RFE Andria – 27/05/2015

Kodetà* = “coup d’état”
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
717 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 27/05/2015 09:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165