You are here: home > Vetso

SITRAN-TSY MIODY - Teboka Telo

Sitran-tsy miody aho raha izay alahelo!
Ny foko efa niofo ho vato kilonjy:
Tsy mientona sento na mamelovelo,
Tsy mila fihantana, hilambana vonjy!

Sitran-tsy miody aho raha izay horohoro!
F'efa zatra niatrik'ambavana ady:
Nilom-peom-basy sy afo mandoro
Ary gadram-patorana sy gidrana tady!

Sitran-tsy miody aho raha izay ahiahy!
F'efa zatra ny tsokan'ny rivo-panala:
Mpanao ranolava haningotra vahy;
Sy fandrika moka amin'ireo tranokala!

F'efa sitran-tsy miody aho ka aza terena
Hanaraka tsindron'ireo lany asa
Midoka tena ho be fahendrena
Fa ny ahy ny tsindroko : "ny androko lasa!"

Hametraka hevitra

Midira aloha