You are here: home > Vetso

NALEOKO IANAO TSY FANTATRO - THAM (TAHIRINAVALONA Haingotiana Annie Malicia)

Naleoko ianao tsy fantatro
Toy izay hitia fa hosoka
Alahelo izao no tsapako
Ranomaso mifanolotra

Naleoko aho tsy nitia
Raha mba fantatro ny hoaviko
Fa toa mpihatsaravelatsihy
Hay lay olona notiaviko

Ka dia reraka ilay foko
Nolalaovina ho feta
Hay ianao ka mana-tompo
Indrisy aho ity fa manjoretra

Tena fay aho moa ry fiainana
Raha nitia dia nandamoka
Sady ts'isy azo itarainana
Fa sady ory no voafosa

Ampy izay, mitia tsy anjara
Fa veloma ianao ry tiako
Aleo hijanona ho tantara
Na dia mafy aza iafiako

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : THAM (TAHIRINAVALONA Haingotiana Annie Malicia)


Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 14/06/2019
Mpamangy : 335
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Namako Ianao
Tiako Enao