You are here: home > Vetso

Ho vidin-dranomasonao - Tsiky dia ampy


Ny mombamomba anao rehetra
Mikasika ny fiainanao
Dia voatantaranao tamiko.
Ny alahelo ts’isy fetra
Namono ny fitiavanao
Izay te-hiantefa amiko
Dia navadikao tomany
Ranomaso tsy hita lany.
Ka ho vidin-dranomasonao
Dia atolotro ny tsikiko
Mba hampitsiky anao koa.
Ho vidin-dranomasonao
Dia hariako ny hadalàna,
Ny rendrarendra sy ny sisa.
Eny vonona aho mba hanao
Izay fara-tratry ny aiko,
Ho vidin-dranomasonao
Da mifalia sombinaiko.

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hevitra mandeha

maeva74 (16/06/2009 18:37:07)

Iny ilay tsikinao natolotrao ho ahy iny
Iny ilay vidin_ dranomaso

Mionitra (24/02/2010 10:00:30)

Azo lazaina amiko hoe alahelo io tononkalo io,kanefa koa aingam-panahy.

colombes (16/09/2010 14:56:20)

Tsara!sady mampahery no mapitsiky.

lonlee (23/05/2011 10:27:04)

Tsara be !!

feno_heri (06/02/2012 08:23:55)

Feno fitiavana! Tiako.

Beka (19/11/2014 06:45:51)

Tiko

andry 1000 (15/04/2015 08:11:08)

tsara be le aingam-panahy

ampasanomby (04/06/2017 11:43:37)

Mafinaritra e!

Hametraka hevitra

Midira aloha