FITIA VOARARA Fiz 4 (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...
>
I Neny koa moa masiaka
Ka tsy azonay nalamina
Izay vao tena tsy hisy fika
Ilay fitia izay nangalarina
Nandeha nody izaho sy i Neny
Rehefa ela teo ny ela
Ianao moa toa tsy nahateny
Nahatsiaro tena ho tavela
...
Tsy natory aho ny alin' iny
Fa ny ranomasoko no nijohy
Inona no hanjo anao ry tiana ?
Raha sanatria tsy ho voatohy
Ilay fitiavantsika vao namelana
Tena navesatra ny fahoriana
Satria toa nandalo sy niserana
Ilay fitia feno hafaliana
Ianao kosa any
Toa tsy te hiaina intsony
Malahelo , mitomany
Tena mbola tsy mety ho tony
Fa mitamberina ao an-doha
Ilay endrika mandrahona
Nefa atao ahoana moa
Fa efa zary feno rahona
Ny rehetra mbola hiainana

Tsy mba nisy torimaso e
Fa tototry ny adin-tsaina
Tomany ,vonton-dranomaso
Nefa aiza moa no hitaraina ?
Vao maika nitombo ny aretim poko
Ny fitiavako moa izany dia tsy ho anjara
Ho aiza aho ,sa hiova loko ?
Satria ny anay efa tsy anjara
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1106 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143