Kisendrasendra (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kisendrasendra mamy
Tanaty alina mangidy
Ilay foko ory, nitomany
Tsy nahazaka ilay safidy
No indro tazanao niserana
Ka Topi-maso iray nafonja
Ary narahinao fitserana
Nanampy ahy hiampita ity onja
Kisendrasendra mamy loatra
Ny nifanojoan' ny lalantsika
Tsy nahafehy ny fontsika tsy hitraotra
Hifanohan-tsy ho lavo, mba ho tafita
Toa zary maraina lalandava
Ilay haizim-pitom-pahoriana
Fa hamirapiratra mazava
No fiainan-ko avy ny faniriana
Angamba, mbola kisendrasendra
Ilay fiainatsika tsy nialaozan' olana
Asa lahy, izay ve no sedra
Mba hahamafy ilay fifatorana ?
Kisendrasendra mafy, tena mangidy
Ilay fisarahana teto andoany
Satria ilay olon-tiana, nofinidy
No lasana, nandao ity tany
Nandao anay tsy ankiteny
Tsy mba nialanay nenina akory
Nilaza sahady ilay akany kely
Dia tsy afaka ny hijoro intsony....
Eny e, kisendrasendram-piainana hono izany
Ka Tsy mba azo sainina na vinaniana mialoha
Mety hitondra fifaliana na handrotsaka tomany
Indraindray toa fahoriana, nefa koa mety ho soa
--------
Rohy:
2132 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107