Eh ! Tiako izao (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh ! Tiako izao raha ianao tiako
No mba ho tia ahy ihany koa
Izay no hany fifaliako
Ka hampamirana ity fo

Hatrizay mantsy aho dia, nitsiriritra
Tsy leo izany, na sasatry ny maminavina
Hoe rahoviana aho vao tsy hipitrapitra
Sy rehefa lalovanao dia tsy ho lasam-borona sy variana

Koa andeha isika re hiarahanorina
Fiainana lafatra toa paradisa
Ny ratsy rehetra ho fongorina
Amin'izay ho lavitra ny disadisa

Ary ny tena faniriako
Dia hoe Hiarahantsika mivoy ny fiainana
Koa izay jalinao dia hiafiko
Izaho no hataonao fitarainana

Hifanohana eny isika
Hikatsaka izay mahasoa
Ny tanjona dia ny ho tafita
Izay sakana tsy hisy hahavoa


Eh !!! Sambatra aho raha toa ka "Eny"
Ny hasetrinao izany
Ny haravoaka angamba tsy ho voateny
Toy izaho irery no sambatra eto an tany

Vals
--------
Rohy:
1344 1
Mpakafy: miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149