Tsiky dia ampy (vals cristian)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tsikinao dia ampy ho ahy
Hampanginako ny fitiavako
Sy izay nikiky, nandratra ahy
Nahavahotra ny vavako
Ny tsikinao dia efa ampy
Hanadinoako ireo tsiahiko
Ireo fijaliana izay tsy tanty
Nandrotika ny atifanahiko
Eny e, ampy ho ahy ny tsikinao
Na dia hoe tsikim-pandrangitana
Rehefa izay no sitrakao
Dia ataoko ho ampy hanasitrana
'Lay foko ory voafitaka
Tsy nahalala akory ny tena marina
Fa latsa-pitia tanaty fitaka
Ka nitsipozy, tsy tafarina


Vals Natiora
22 Mai 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
2242 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vals cristian
Nampiditra : miartiana
Daty : 28/09/2017 11:00
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112