Nampiditra : miartiana
Daty : 19/07/2016 11:43
Nijery : 2798
Tononkalo: 37 Jereo eto
Mankafy : 1 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

vals cristian

Izaho no Tojonirina Valisoa Christian, izay mitondra ny solon' anarana hoe " vals".
Teraka tamin'ny 28 aogositra 1996,
Avy any Analavory Itasy ny fiavian'ny ray sy reniko , ary izaho mipetraka eto Antananarivo amin'izao fotoana izao.
Tsy dia anisan'ny avanana loatra amin'ny haisoratra sy kanto ny tenako, saingy mba tiako ny mamoaka izay ato an-tsaiko sy ny izay rehetra tonga ao an-dohako. Miainga amin'izay zava-misy iray itako sy mahatonga ny aingam-panahiko amorona ny asa soratro . Olona miaina ao anatin'ny fiaraha-monina aho ka zava misy eo amin'ny no ifantohan'ny asa soratro .
Mibahan-toerana amin' izany kosa ny resaka fitiavana satria ny tena moa mbola ao anatin' ny maha tanora .Zava niseho teo amin'ny tontolo manodidina ahy araka izany no ao anatin'ny asa soratro.
Raha ny momba ahy manokana, izaho dia olona tsotra ary saron-kenatra izay hany ka raha misy zavatra tiako ho lazaina nefa tsy sahiko dia ao anatin'ny soratra no anambarako azy .
Raha toa ka liana te ifandray amiko na ifanerasera amiko ianareo dia misokatra malalaka ho antsika rehetra ny varavana @ alalan' ny :
- Finday : 034 29 890 79 na @ alalan'ny facebook : Vals cristian
E-mail : Tvalscristian@gmail.com
Manasa anao ary mba hankafy ny soratro sy izay navoakako ato , vitsy ihany izy ireo no nivoaka ato saingy efa maro kosa no voasoratra fa najanona ato....
Misaotra tompoko
Vals
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/vals-natiora
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159