Raha sendra solafaka Satr (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra solafaka
Satria malama ity tany
Tsarovy fa ho afaka
Mbola ho tafajoro hatrany
Aza kivy manantena
Raha mbola ao ny aina
Ny ho avy foana jerena
F'aza variana mitaraina
Ekena aloha fa tena mafy
Ny hoe lavo amin'ny lalana
Nefa aza kivy, mba miafy e
Na inona na inona fisoparana
Izao ihany koa no aza adino
Ho tafarina foana indray andro any
Ho tafita ianao, raha toa ka mino
Ary tsy maintsy vitanao izany
Ianao no hany fanalahidy
Hivoaranao eo amin'ny fiainana
Koa ataovy tsara ny safidy
Fa tsy mahasoa ny fitarainana
Foany aloha ny hakiviana
Misehoa ho mafy toto
Dia hisinda mora ho azy ny fahoriana
Fa tsy misy tsy vita anie rehefa mazoto e
Koa mahhereza, mitrakà
Raha sendra tafintohina
Mijoroa ho lehilahy
Ny ho avy ihany ifantohana
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - fiainana
2351 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vals cristian
Nampiditra : miartiana
Daty : 22/04/2017 18:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141