FITIA VOARARA Fiz 5 (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho aiza aho ,sa hiova loko ?
Satria ny anay efa tsy anjara
Tsia nefa ,tsy manaiky ny saiko
Manohitra izany mafy
Toa tsy ho zakan'ny aiko
Ny mahita anao hiafy
Sy mijaly mahita ahy
Eny an-tratran' olon-kafa
Satria na ny anao na ny ahy
Ilay fitia tsy ho voafafa
Toa tsy nahazo tory
Fa nieritreritra ny fitiavako
Hifarana ve sa mbola hitohy
Izay no tsy afaka ao am-bavako
Toa tsy nisy ho ahy intsony
Izany fahasambarana izany
Satria ny tsy ho tony
Tsy mijanona mitomany.
...
Tonga ny alatsinainy ity
Nefa izaho malaina ny hianatra
Ho aiza anefa moa satria
I Dada izao no mampianatra
Taratasy no nomenao ahy
Fa tsy sahy niresaka tamiko
Vahotra ny endrikao
Ka vao maika koa tsy tantiko
Ny mahita anao mijaly
Bongo maso nitomany
Ka izao no tao anatiny
Ilay solon-tenany niteny
Nilaza izy fa tsy tantiny
Ireo teny mafy nataon' i Neny
" Miarahaba anao
Ity foko izay misaona
Tena menatra aho izao
...
Ao amin 'ny fizarana manaraka ny tohiny .
Misaotra tompoko ,
Vals natiora
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1046 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0257