FITIA VOARARA Fiz 6 (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
" tena menatra aho izao
Ka tsy sahy hanatrika etoana
Satria efa nahavita nanda
Ilay fitia izay tao anaty
Ny tampoka marina tsy mahalehilahy
Ka nanda aho ,nanda tsy satry
...
Koa apetrako aminao
Ny fanapahan-kevitra
Satria tena ny ho avinao
No ho simba raha diso hevitra
Ekeko fa tena tia aho
Saingy aleoko aloha manaiky
Izay mahasoa anao akia atao
F'izaho ty efa taraiky
Dia ity tononkalo ity vakiana
No atolotro ho anao
Raha misy olona tena tiana
Dia tiana foana na dia hifandao
# na sarotra aza ny dia
Ka mafy ny manjo
Ianao ihany akia
No mibahana ato am-po
...
Fitia sarobidy nozaraina
Natolotrao ahy tsy nikelezanao aina
Koa na aiza Niaina no misy anao
Ity foko ity ,raiso ho anao# ..."
Toa feno loatra ny fo
Namaky ilay taratasy
Nefa atao ahoana moa
Fa hifandao na dia tsy satry
Niresaka mivantana izahay taorian' izany dia toy izao , marihina eto fa izay anaty "..." no an' i Nilaina ,fa ny an'i Niaina kosa *...*
Ho hitanao ao amin' ny fizarana manaraka ny tohiny .
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1082 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142